Toliara : Mbola tsy voahaja ny fepetra napetraka momba ny vidin’entana
08 Aprily, 11h00. Na dia efa nametra ny vidin’ny entana farany ambony aza ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny Indostria, varotra ary fanjifana, dia mbola misy amin’ireo mpivarotra nefa no mbola manohy ny fampiakaram-bidy. Tafiakatra 700 Ar ny savony fotsy ao an-toerana raha 500 Ar izany teo aloha, 800 Ar ny savony mena raha 500 Ar ihany koa izany teo aloha, ny menaka 1l (8 500ar) lasa 12 000 Ar ary ny vary stock iray kapoaka (600Ar) lasa 700 Ar.
