Harena an-kibon’ny tany : Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena
Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany ny solontenan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena monina eto Madagasikara. « Noresahina ny fivoarana eo amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, ny Tetik’asa ahafahana miara-miasa. Eo ihany koa ny fomba hisitrahan’ny vahoaka Malagasy ireo tamberina azo avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany » hoy ny Minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier.
« Hamafisina hatrany ny fifandraisana amin’i Madagasikara. Sehatra mila ampandrosoina tokoa ny harena an-kibon’ny tany » hoy ny ny solotenan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena monina eto Madagasikara, Mokhtar Benlamine.
Miezaka mifandray sy miara-miasa ary manohy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany i Madagasikara. Tsara ny mifampizara traik’efa amin’ireo firenena efa mandroso.
Nicole Rafalimananjara
