Tsidika

Zaikaben’ny tanora 2023: Nisongadina ny sehatry ny jono

Notanterahina tao Toamasina ny 3 ka hatramin’ny 6 Jolay  lasa teo ny zaikaben’ny tanora 2023. Ity andiany ity dia nibanjinana ny   lohahevitra hoe « Tanora mpandraharaha matihanina » . Ny CRS(Catholic Relief Services ) sy ny ODDIT(Organe du Developpement du Diocese de Toamasina) no mpikarakara ny hetsika ary  tanora 70 solontena avy amin’ny ny Diosesy dimy no tonga nanotrana ity zaikabe ity,

Nandritra ity zaika be ity  no nanasongadinan’ny ekipan’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Economie Bleue (DRPEB) Atsinanana ny mikasika ny fampiroboroboana ny asa manga na ny manodidina ny jono. Nisy araka izany ny fanehoana ireo asa manodidina ny jono sy ny fiompiana trondro afaka atao eto Madagasikara izay nataon’izy ireo.

“Araka ny maha Nosy an’i Madagasikara dia manan-karena rano isika , ka izany indrindra no hanentanana antsika tanora hazoto sy hisehatra ao anatin’izany resaka jono izany. Raha ny zava-misy ankehitriny ihany koa dia mbola malalaka tsara ny tsena amin’ity sehatra ity koa tsy misy tokony hampatahotra ny fidirana aminy” hoy ny teknisianina avy amin’ny DRPEB

“ Mahaliana ahy tokoa ny resaka jono sy ny manodidina azy satria izaho mipetraka aty amin’ny sisin-tany amoron-driaka. Araka ilay fanehoana nataon’ny matihanina teo dia maro ny sehatra afaka trandrahana ao amin’ity tontolo iray ity ka vao maika izay naharisika ahy hisehatra amin’ny jono.” Hoy i Felix mpandray anjara , Zaika be.

Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nampahafantarana ny anjara asan’ny Ministeran’ny Jono amin’ny fampiroboroboana ny fandraharana ambanivohitra sy ny fampanarahan-dalana ny fandraharana ataon’ny tanora.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire