Conseil

Azo atao loharanom-bola tsara ny fiompiana tantely

Mampidi-bola anatiny sy ivelany ho an’ny mpiompy sy ny mpandraharaha ary ny firenena ny vokatra rehetra azo avy amin’ny fiompiana andian-tantely. Manomboka malalaka ihany koa amin’izao fotoana izao ny tsena ivelany ho an’ny main-tantely. Fotoana fananararaotra ny fotoana mampiroborobo azy mba ho enti-manatsara ny kalitao sy mampitombo ny vokatra mamy. Misy ireo torolalana homen’ny tompon’andraikitra amin’io sehatra io mba hanatsarana izany fiompiana izany. Takian’ity fananana tobim-piompiana tsirairay ity ohatra ny fanan’ny mpiompy tobim-piompiana tsirairay, eo ihany koa ny barika na boata manana fatra madio izay tiana hakana ny mamy voadio. Mety hahavokatra rano-mamy efa voadio milanja 13 kolao hatramin’ny 17 kilao isaky ny misarika ny mpiompy rehefa haka azy io. Miankina betsaka amin’ny faharetan’ny fotoam-pamelanan’ny hazo sy ny abetsahany eo an-toerana ny isan’ny fisarihana ao anatin’ny taona iray. Maro amin’ireo faritra eto Madagasikara no miompy tantely, indrindra fa ny any ambanivohitra izay lazain’izy ireo fa tena mahavelona tokoa. Ankoatra ireo mpiompy azy mivantana, misy ihany koa ireo tantely vokatra avy anaty ala avy amin’ny karazan-kazo samihafa. Olana sedrain’ny mpiompy anefa ny fisian’ireo olona mpanararaotra ny vokatra tantely ka manao sandoka izany. Miteraka tsy fahatokisana eo amin’ny mpanjifa anefa izany, ka lasa vitsy ireo manjifa ny tena izy. Efa nametraka paik’ady amin’ity sehatra ity ihany ny minisiteran’ny fambolena mba hahafahana mahafanatatra ny vokatra tsirairay isam-paritra. Tanjona tamin’izany ny hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa ary mba hampisongadina ireo mpiompy. Mila fanaraha-maso hentitra sy mitohy hatrany araka izany ity vokatra ity mba hialana amin’ireo mpanao hosoka.

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire