ConseilTsidika

Torohevitra : Fomba tsotra hanalana tsatsa-koatra amin’ny vatana

Toetran’ny vatana ny tsatsa-koatra (vergeture). Mandratsy endrika ny vatana anefa ny fisian’izy io, izay mety hanorisory. Marihina fa misy karazany roa ny vergeture, ny iray ilay miloko mena manopy volo-parasy izay mbola mbola morav afaka izy amin’izay fotoana izay. Ny iray kosa miloko fotsy izay hatahorana tsy ho afaka intsony na ela be vao afaka.

Misy fomba azo atao ihany anefa hanalana ireny tsatsa-koatra ireny. Tsara hatrany ny mampiasa vokatra natoraly mba tsy hanimba ny hoditra. Ny zavatra ilaina amin’izany dia voasary makirana iray, vahona iray sotro ary lavenina 3 sotro. Ireo no hafangaro ary ahosotra amin’ilay faritra misy tsatsa-koatra ary havela hilona eo mandritra ny 10 minitra eo ho eo. Ny famerimberenana matetika izany fihetsika izany no ahitana vokatsoa vetivety saingy tsy azo atao mihoatra ny in-telo isaky ny herinandro izany.

Ankoatra ny fampiasa ireo fangaro ireo dia maro ihany koa ny fitandremana azo hatao mba tsy hisian’izany tsatsa-koatra izany. Horina matetika ilay faritra ary ezahina fadiana ny mampiasa vokatra simika fa sao manimba ny vatana ka hiteraka aretina hafa indray.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire