Fandinam-panjakana teknika : Ao anatin’ny fotoam-panadinana ireo mpianatra
Ankoatran’ny fanadinam-panjakana BEPC izay natokana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny fampianarana ankapobeny dia miatrika ny fanadinam-panjakana mifandraika amin’izay ihany koa ny avy ao amin’ny fampianarana teknika amin’izao fotoana izao. Ho an’ity sampam-pampianarana ity dia mizara ho sokajy roa mazava ny sokajy misy ireo mpiadina mandritra ity fanadinana ity.
Raha ny isa voaray dia miisa 10384 ireo mpiadin anisoratra anarana amin’ny fandinana BEP (Brevet d’étude professionnelles) raha toa kosa ka 200 isa ireo nisoratra anarana hanao ny fanadinana ahazoana ny CFA (Certificat de Fin d’Apprentissage).
“Nizotra am-pilaminana ny fanadinana nandritra ny andro 2 voalohany tamin’ny akapobeny. Mavitribitrika ihany koa ireo mpiadina rehetra ka antenaina ho vita soa anaty filaminana ihany koa ny roa andro ambiny.” Hoy ny lehiben’ny foibem-panadinana iray.
Samy manana ny hanitra ho azy na ny fampianarana amin’ny akapobeny na ny fampianarana teknika far aha araka ny fanazvan’ireo mpiadina teknika dia efa nisy antony mazava nahatonga azy ireo nisafidy ny sojkajy teknika. “Efa hatramin’izay mihitsy no efa fantatro hoe hanao BEPC technique aho, satria izay no manavanana ahy kokoa sady tiako. Hijanona ho technique foana raha afaka ary hanohy polytechnique ihany koa aorian’ny BACC, izay koa no antony tena ataoko ato satria efa fantatro ny ataoko rehefa lehibe” hoy i Andry, mpiadina.
“Nohezahina narahina ny zavatra tiany atao sy ny zavatra nanavanana azy hatrizay tany anm-pianarana tany aloha tany ary hita fa mirona kokoa any amin’ny teknika izy. Izay no antony nahatonga anay ray aman-dreniny nampanao azy teknika fa izy tsy dia mbola nanana safidy loatra.” Hoy i Bakoly renim-pianakaviana manan-janaka mpanala ny BEP.
Ho an’ny fandinana CAP (le Certificat d’Aptitude Professionnelle) moa dia voatondro fa ny 10 hatramin’ny 13 Jolay 2023 no daty voatondro hanatanterahana izany.
Miranto Andrih
