ActualitésTatitra

Asie : Misy monina an-dranomasina ny voay

Ny  « Crocodile marin » antsoina ihany koa hoe « Crocodile de mer » na « Crocodile à double crête » dia karazana voay afaka monina an-dranomasina sy an-dranomamy. « Crocodylus porosus » no anarana siantifika omena azy ary karazana  voay ao amin’ny fianakavian’ny « Crocodylidae » izy.

Ao Asie du Sud, Asie du Sud-Est ary ao Océanie no tena ahitana io karazana voay io. Efa nihena an’isa nefa izy any amin’izany toeram-ponenany izany ary efa manaiky ny fahalaniana tamingana, indrindra ao Thaïlande, Cambodge, Laos, Sri Lanka ary Viêt Nam. Raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana nefa dia tsy ho foana ny « Crocodile marin » nohon’ny mbola fipariahany ao Australie avaratra sy Nouvelle-Guinée.

Marihana fa nisy tany amin’ny faritany andrefan’i Afrique hatrany amin’ny morontsiraka atsinanana io karazam-boay io. Nahitana izany indrindra tao amin’ny Nosy Seychelles sy teto Madagasikara.

Laisser un commentaire