Pérou : Nametra-pialàna ny minisity ny raharaham-bahiny
Nanapa-kevitra ny hiala eo amin’ny toerany ny alahady faha 14 febroary lasa teo i Elizabeth Astete, minisitry ny raharaham-bahiny ao Pérou. Miroso amin’ny fanatanterahana vakisiny miady amin’ny covid 19 ity firenena ity. Miezaka mandresy lahatra ny vahoaka any an-toerana ny fitondram-panjakana mba hanatanteraka izany. Eo imason’ny vahoaka avokoa no anatanterahan’ny olom-panjakana tsirairay ny vakisiny. Fantatra anefa fa efa niroso tamin’izany vaksiny izany ity minisitra ity sy olom-panjaka maromaro ny volana janoary lasa, arakany voalazan’ny gazety iray any an-toerana. Nanaiky izao fametraham-pialana izao ny filoha mpisolo toerana, sady nilaza fa mamotika ny ezaka rehetra efa natao i Astete. Miteraka tsy fahatokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra izao fihetsika ataony izao, hoy hatrany ny mpitondra. Minisitra faharoa izay nametra-pelana nandritra ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana any an-toerana izy. Marihina fa ity firenena ity izay nahitana tranga Coronavirus 1 235 298 (ireo no fantatra hatreto). 43 703 kosa ireo fantatra fa lavon’ity aretina ity hatramin’izao.
