Antsohihy : Lehilahy tsara sitra-po nanolotra fanampiana ho an’ireo zokiolona
Ho fanamarihana ny Eid al fitr dia lehilahy tsara sitra-po iray no nanome fanampiana ireo zokiolona tao Antsohihy. Zokiolona 100 mahery no nisitraka io fanampiana io izay nisy entana maromaro tena mampikolay amin’izao fotoana.
« Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy ‚ faly aho amin’izao fetin’ny « Eid Moubarak » izao ka tiako raha mba hiara-paly amiko ireto Ray aman-dReny ireto »‚ hoy io lehilahy io. Nanamafy ny tenany fa hanampy sy hanasoa ny mpiara-belona hatrany araka ny fahefana eo ampelatanany.
Hasina Rasamimanana
