ActualitésTsidika

Soavinimerina : Tanàna maha te-honina

Fokontany iray miorina ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, ao amin’ny kaominina Ambohimangarova i Soavinimerina. Manana ny maha izy azy izy ary manana ny tantara mampiavaka azy koa toy ireo fokontany rehetra fehezin’Ambohimanga rova, mifandray ara-tantara amin’io vohitra iray vakoka iraisam-pirenena io mantsy io tanàna iray io.

Raha eo amin’ny lafiny ara-jeografika dia tsy lavitra ny renivohitra ny misy azy, manana mponina maro izy, ary eny amin’iny lalam-pirenena faha telo iny no ahitàna azy, raha miainga avy any Andrenivohitra dia 15 km ny lalana raha hizotra ho any Soavinimerina. Miisa eo ho eo amin’ny 1630 eo ny mponina ao an-toerana, 6km₂ ny velaran-taniny fa somary mitsitokatokana anefa ny tanàna.

Rah any fanazavan’ny Avotra tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany dia “Fiombonana ny anran’ny tanàna taloha satria mpiavy avokoa ny olona rehetra tao, nahay naira-nonina ireo olona ka izay no nahatonga an’ilay hoe « fiombonana », Andrinampoinitany no nanome ilay hoe « Soavinimerina », nandalo sedra mafy ireo mponina vao tafapetraka teo, « hasoavin’ny merina » izany hoe « hasoaviko ny merina » no dikany ilay tena anarana fa nafohezina rehefa tay aoriana”.

Misy tsangam-mbato telo ao an-toerana dia « Ambatonanmelan-kafatra » ary « Ambatotsihiozonakovalahy » ary vato masina, somary manamarika ihany koa ireo hoe milevina ao Andrianampoinitany sy vady aman-janany. Ao Soavinimerina ko no misy an’ilay fierenana ampanjaka, tsy de be olona ao fa saingy kanto dia kanto tokoa ilay toerana.

Misy orin’asa maromaro sy trano fandraisam-bahiny ao an-toerana, ary maro ny foto-drafitr’asa mbola tiana haorina ao, maro koa ny kolon-tsaina azo trandrahina ary fiaraha-miasa azo atao.

Ankoatra ny fambolena sy ny fiompiana mantsy misy mivelona amin’ny asa hafa koa ny mponina, misy aza miasa ivelan’ny fokontany mihitsy ny mponina.

Tanàna mahavariana sy mahaliana ary tsy menetra mitaha amin’ny hafa raha i Soavinimerina. Na dia ambanivohitra aza izy dia efa misitraka teknolojia maro efa misy jiro koa ny tanàna sasan-tasany ao an-toerana ka mahatamana tsara raha honina na hitsidika.

Laisser un commentaire