Etats-Unis : Novonoiny ny vadiny ary natsipiny avy eny ambony fiara ireo zanany vokatry ny tahotra tamin’ny fisian’ny « éclipse »
« Astrologue » amerikana iray, raiki-tahotry ny fisehoan’ny « éclipse » tamin’ny alatsinainy teo no namono, nanatsatoka antsy ny vadiny ary nanipy ireo zanany vavy miisa roa, avy eny ambonin’ny fiara, fotoana fohy mialohoan’ny nisehoan’ity tranga ity teny amin’ny lanitra. Talohan’ny nisehoan’ity tranga mampivarahontsana ity, dia mbola nanolotra sy nampahafantatra ny tenany tao anaty tambajotra sosialy ity vehivavy ity fa « mpitsabo ara-panahy » ny tenany ary nizara an-jotra ireo kazarana fidiovana na « purification d’aura » ihany koa izy ary mahay mijery vintana. Ny herinandro lasa teo, dia nanao fizarana tao amin’ny kaontiny X izy mahakasika ny « éclipse » sy ny « summum de la guerre spirituelle » ary nanome antoka ny mpanaraka azy fa tokony hisafidy ny tontolony ny tsirairay. « Efa eto ny apocalypse » hoy hatrany izy. Ny alatsinainy maraina, mialohan’ny nisehoan’ny éclipse, dia novonoiny, notsatohany tamin’ny antsy ny vadiny, mifanandrify amin’ny foko. Ity vadiny ity izay maramila teo aloha. Namela dia an-tongotra mihoson-dra tao an-tranony izy, mialohan’ny nitondrany ireo zanany vavy roa, nandeha nandositra. Teny ambony fiara nandeha no natosiny ireto zanany ireto, araka ny voalaza hatrany. Fotoana fohy taorian’izay, dia hitan’ny polisy ity fiara ity, efa potika tanteraka, nidona tamin’ny hazo, ary simba tanteraka tsy nisy nahafantarana azy intsony ny vatan’ity astrologue ity.
