SocialTatitra

Chili : Nahitàna volkano vaovao ahiahiana mbola hipoaka

Nahitàna volkano vaovao ahihiana mbola hipoaka tao amin’ny 1 600 kilometatra atsimon’i Chili hoy ireo manam-pahaizana momba ny tany ao an-toerana ny talata 06 aprily. Mirefy 1 280 ny ahavon’ilay tendrombohitra misy azy ary 5 kilometatra kosa ny sakany raha ny tatitra an-tsoratra nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao an-toerana. Nomen’ireo manam-pahaizana ny anarana “Gran Mate” (grand maté) araka izany ity volkano ity noho izay halebiazany izay. Nanomboka nahitana fietsehany izy taorian’ny horohoron-tany lehibe niseho tao Liquine-Ofqui, 80 kilometatra ao atsimo-andrefan’ny tanànan’i Coyhaique, ao amin’ny faritanin’i Aysen (atsimo). Hatramin’ny taona 2015 ireo manam-pahaizana no efa nikaroka volkano hafa mety atahorana ao Chili. Izany indrindra no nahitan’izy ireo an’ity “Gran Mate” ity. Miisa 91 araka izany ireo volkano atahorana ao an-toerana amin’izao fotoana. Efa nanomboka ihany koa ny fanaraha-maso akaiky ity volkano vaovao ity.

Laisser un commentaire