ActualitésTsidika

Ny Somaradaka : Dihy tsimihety

Dihy tsimihety ny Somaradaka. Any amin’ny faritr’i Boriziny no tena ahitana azy. Lehilahy sy vehivavy no manatanteraka azy ka mifampitantana ary mitsambikina sady miforitra toy ny saobakaka.

Amin’ny lanonana rehetra kosa no handihizana ny Somaradaka. Misikina lambaoany ny mpandihy ary manao ambonin’akanjo miloko marevaka. Angorodao sy hazolahy kosa no zava-maneno ampiasaina aminy.

Herimalala Ratsimbazafy

Laisser un commentaire