Torohevitra : Ny tsara ho fantatra mahakasika ny « Palpitation »
Anisan’ny mpahazo ary mety hahazo ny zokajin-taona rehetra ny “palpitation”. Fa inona ny tena mahatonga ny “palpitation”? Tsy filaminan’ny fidoboky ny fo (rythme cardiaque irregulier) ny “palpitation”. Mety antony maro ny mahatonga izany amin’ny olona iray ary miankina amin’izay ihany koa ny fitsabona azy.
Voalohany, ny tsy fahampian’ny magnesium, calcium, sodium ary potassium ao anatin’ny vatana no antony mahatonga ny olona manao palpiation. Ankoatra izay ny fiakaran’ny tahan’ny insuline , tahan’ny siramamy ambony na ambany, indrindra ho an’ny olona diabetique na pre-diabetique.
Antony hafa mety mahatonga ny olona iray manao palpitation ihany koa tsy fahampian’ny acide gastrique ao amin’ny vavony, ny olana ao amin’ny vesicule biliaire, ny fisotroana alikaola, kafe, ny fihinanana sokola, ny fanaviana, ny hyperthyroide ary ny fiakaran’ny tosi-dra. Mety hiseho amin’ny fotoana rehetra ny palpitation.
Arakaraky ny antony nahatonga ny palpitation no fitsaboana ity aretina ity. Tsara anefa ny manantona mpitsabo raha mieritreritra fa hisehoan’ny tranga izay ny fo. Tsy tsara ny manao dokotera tena.
