ActualitésTsidika

Kolontsaina : Ampiakarina ny lentan’ny sarimihetsika Malagasy amin’ny alalan’ny fampiofanana

Mpisehatra amin’ny sarimihetsika miisa 112 no nahavita ny fiofanana izay nokarakarain’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Nanatanteraka fety ho famoahana ireo andiany indray mihira voalohany ireo ny avy ao amin’ny Ivo-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy (SSM). Ankoatra an’ireo mpisehatra maro toy ireo mpilalao sy ireo teknisianina ary ireo mpanoratra dia nahazo tohana ara-bola kosa ireo tetik’asa miisa 19 voafantina tamin’ny fiantsoana tetik’asa izay nokarakarain’ity Ministera ity.

« Omena lanja ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika ka notolorana fampiofanana izy ireo. Izany no natao mba hampitomboana ny lentan’ny sarimihetsika Malagasy. Samy nahazo ny anjarany avokoa na ireo mpanoratra na ireo mpilalao na ireo mpikirakira ny lafiny teknika. Mpampianatra efa matihanina amin’ny sehatra no nanatanteraka izany fampiofanana izany. Miisa 112 ireo tafavoaka ireo tamin’ity andiany indray mihira voalohany ity », hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina.

« Niara-dalana tamin’izany dia nisy ihany koa ny fiantsoana tetik’asa mahakasika ny sarimihetsika. Manan-talenta ny Malagasy, miisa 19 ireo nahazo tohana ara-bola tamin’ireo tetik’asa. Mizara roa mazava tsara izany ary arimihetsika lava ny 13 raha sarimihetsika fohy kosa ny 6 tamin’ireo. Natao hanampiana hatrany amin’ny famokarana sy fanatontosana ireo vinana horonantsary mendrika ity fanohanana ara-bola ity », hoy hatrany ny fanazavana.

« Maro ny antony mahatonga ny olona tsy hankafy intsony ny sarimihetsika Malagasy. Mety ho ilay tantara mihitsy no tsy mahaliana intsony. Mety ireo mpilalao no mila ampiana ny fahaiza-manao. Mbola maro fa tsar any fampiofanana toy izao rah ate hahazo vokatra mahafa-po. Tokony handroso ny sarimihetsika Malagasy raha misy toy izao foana. Tsy tokony hiandry zavatra toy izao ihany anefa ireo mpisehatra fa tokony samy hitrandraka mba hanome izay mahafapo ny mpankafy », hoy i Domoina, mpikaroka mahakasika ny sarimihetsika Malagasy.

Apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny sarimihetsika Malagasy izay sehatra iray ahafahana manabe sy manome fialam-boly ho an’ny Malagasy maro isan-karazany. Antony iray lehibe nanaovana izao fampiofanana izao ny hampiakarana ny letan’ny sarimihetsika Malagasy ho tsaratsara kokoa hatrany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire