Trano mora : Ampiana 55 isa ireo trano haorina ao Amborovy.
Dépêche 02 novembre, 11h, Ankoatra ireo trano mora miisa 30 izay efa natsangana dia hita fa mbola maro no liana amin’izany ka ho ampiana 55 izany. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay te hisitraka. Amin’ity andiany ity anefa dia hitombo kokoa ny vidiny ary hiova ny fomba fandoavana izany. Mbola vao andalam-panamboarana ity trano ity dia efa mandoa vola izay voasafidy fa mahazo misitraka izany. Hotazomina hatrany ihany koa anefa ny fomba fandoavana mandritra ny fotoana maharitra izany vidiny izany rehefa vita soa aman-tsara ilay trano hoy ny fanazavana hatrany. Noho ny fiakaran’ny vidin’ireo fitaovana hampiasaina dia nasiam-panovana ny mahakasika ny vidiny ka mbola tsy voafaritra izany hatreto.
