Reharehan’ny firenena ny fananana solontena ambony hiasa eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena
Maro ireo Malagasy maro no solotenan’ny firenena miasa any ivelany. Misy amin’izy ireo no voatendry avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa, hiandraikitra asa manokana izay fantatry ny mpanendry azy fa hahavita ny asa hametrahana azy amin’ny antsakany sy andavany. Isika rahateo manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisany mametraka fitokisana amitsika ihany koa na ireo banky iraisam-pirenena, na ny vondrona eropeanina, sy ireo firenena matanjaka rehetra. Porofon’izany ny fisian’ireo fifanaraham-piaraha-miasa maro be izay efa nisy teto amitsika sy ireo firenena ireo. Vokatr’izany, maro amin’ireo firenena ireo no miezaka matoky antsika vokatri’ireo asa tsara efa nisy teto an-toerana. Anisan’izany ny vondrona afrikanina, izay vao nifidy Malagasy iray ho filohan’ny filankevitra momba ny ady amin’ny kolikoly na ny antsoina hoe “ Conseil Consultative de l’Union Africaine sur la corruption” CCUAC. Izany hoe vondrona iray eto amin’ny kaontinanta afrika io vondrona io izay misahana ny ady amin’ny kolikoly. Mety ho anton’io fifidianana mpitantana Malagasy io ny fahitana ny firosoan’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ankehitriny. Marina tokoa fa mbola tsy loha-laharana amin’io ady amin’ny kolikoly io isika saingy efa manomboka hita ny ezaka sy ny fanentanana manoloana izany. Efa mpikamban’ity filankevitra ity rahateo i Andriamifidy Jean Louis izay filoha vaovao, izy ihany koa izay efa tale teo aloha an’ny Birao mahaleo tena miady ami’nny Kolikoly na ny BIANCO.Ranatsana lehibe iray eo anivon’ny vondroana Afrikanina miandraikitra ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny antsoina hoe fifanarahan’ny vondrona afrikanina amin’ny ady amin’ny kolikoly ny CCUAC. Firenena afrikanina 55 no mpikambana ao amin’ity rantsana ity.
Fanilo Rarivoarilala
