Torohevitra : Ireo tombontsoa azo avy amin’ny fihinanana manga
Anisan’ny voankazo tsy lefy laza, ary mitobaka eny amin’ny tsenan’ny voankazo sy legioma eny amin’izao fotoana, ny manga. Fotoana fahavokarany tokoa izao ka tsara raha manararaotra amin’ny fihinana azy, noho izy mitondra tombotsoa maro sy mahasoa amin’ny fahasalamana, izay tsara ihany ny mahafantatra azy.
Ny manga dia anisan’ireo voankazo manan-karena, vitamine C, vitamine A, izay ilain’ny vatana amin’ny fitomboana, indrindra fa ny zaza sy ny ankizy ary manatsara ny fahitana. Hita ao amin’ny manga ihany koa ireo karazana singa mineraly hafa izay ilain’ny vatana amin’ny fampitomboana hery fiarovana sy fampirindrana ny taova izay miasa ao anatin’ny vatan’ny olombelona ao.
Ny fihinana manga dia anisan’ny mampihena ny rarin-tsaina ary mampihena ny ny risika mifandraika amin’ny aretin’ny tosi-drà. Manala ny mitohana ihany koa izy noho ny fananany fibres sy antioxydants, izay tena miady amin’izany.
Maro be ny fomba afaka ihinana ny manga. Azo atao ny manao azy amin’ny ranom-boankazo, atao marihitra tsara, tsy atao be siramamy. Azo atao ihany koa ny mihinana azy mivantana amin’izao na manafangaro azy amin’ny voankazo hafa toy ny akondro, ny fraise sy ny maro hafa araka izay tiana. Ho an’ireo tia marikivy moa dia afaka mihinana izany tsara atao lasary.
Manitra Ramanantsoa
