Maurice : Mandroso ny tetik’asa « Montebello Smart City »
Te hamoaka ny « Montebello Smart City » ho tena kanto ny vondrona MaxCity. Mandroso ny asa raha ny tatitr’izy ireo ary efa Rs 1 000 tapitrisa ny fampiasam-bola nampiasaina tamin’ny dingana voalohan’ny tetikasa.
Eo anelanelan’ny ivo-toerana ara-toekaren’ny nosy roa, Port-Louis sy Ébène no misy ny « Montebello Smart City ». Haorina manaraka ny foto-kevitra miompana amin’ny fomba fiaina manaja ny zavaboary sy mamaly ny fanamby amin’izao fotoana izao io toerana io. Hisy « showrooms », toeram-pivarotana, birao, trano fonenana ary « shopping mall » ao amin’izany.
Eny amin’ny lalàm-be migodana M1 no misy io tanàna vaovao io, miorina amin’ny toerana miavaka izy ary azo hiazoana amin’ny alalan’ny zotra efatra.
