Mexique : Olona valo no maty noho ny fifampitifirana
Tonga ao Mexique ihany koa ny trangam-pamonoan’olona mitam-basy. Ny alin’ny zoma 27 janoary nifoha sabotsy teo no niseho ny tranga tao amin’ny toeram-pandihizana iray tao amin’ny faritr’i Zacatecas, any amin’ny 670 kilometatra avaratr’i Mexico.
Lehilahy maromaro nitondra basy no nanokatra ny fifampitifirana, raha ny tatitry ny manam-pahefana, ny 29 desambra teo. Olona 6 no maty teo no ho eo manoloana izany ary olona roa kosa maty nandritra ny fitsaboana azy. Olona 5 hafa kosa no naratra noho io tranga io raha ny fanamafisan’ny manam-pahefana. Nisy mpitendry zava-maneno, mpiasan’ny toeram-pandihizana ary olon-tsotra tamin’ireo niaram-boina ireo.
Raha ny fatatra dia raharaha fifandirana teo amin’ny « gang » no nitarika io fifampitifirana io. Marihana fa toerana anjakan’ny adin’izany « gang » izany ny État du Zacatecas ary ivo-tenam-pifandirana « cartels » roa matanjaka indrindra ao Mexique dia ny Sinaloa sy ny Jalisco Nueva Generacion.
