Fambolena : Miisa 30 ireo olona hiofana mahakasika ny fambolena any Zimbabwe
Miisa 30 mianadahy ireo tantsaha sy teknisianina malagasy no alefa hiofana any Zimbabwe mahakasika ny teknikam-pambolena moderina. Fiaraha-miasa amin’ny Foundation For Farming ity tetik’asa ity izay manana vina ny hampitombo ny vokatra ny fambolena eto Madagasikara sy ny hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ihany koa.
« Tanjona lehibe no ho tratrarina amin’ny fandefasana ireto tantsaha, teknisiana sy enjeniera ary mpampiofana ireto any Zimbabwe. Izany dia ny hahafahana mahaleo tena ara-tsakafo rehefa vita ny fiofanana ka hampihatra izany eto an-toerana izy ireo. Tsy hijanona ho azy ireo irery ihany anefa izany fiofanana ho raisiny izany fa izy ireo indray no hampiofana ireo tantsaha namany rehefa vita izany », hoy ny filoham-pirenena nandritra ny fihaonany tamin’ireto solontenan’ny Madagasikara ireto.
« Efa fantatra hatramin’izay fa ny fambolena no miantoka ny fiainan’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka. Ilaina noho izany ny mampitombo ny kalitao ny vokatra ahafahana mamelona ny Malagasy rehetra ambiny. Ity fiofanana andeha ho raisina any Zimbabwe ity dia efa maro ny mampihatra azy eto Afrika ka tsara hatrany vokatra. Tsy hiemotra fa hiroso hahavita ny fiofanana izahay hahafahanay mizara indray rehefa avy any », hoy ny solontenan’ireo tantsaha.
Ny Fondation for Farming moa dia fantatra amin’ny fampiasana ny teknikam-pambolena moderina PFUMVUDZA izay hanatsara ny voka-pambolen’ireo tantsaha. Izany dia mifandray amin’ny fandaharanasan’ny Fitondram-panjakana mba hanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana mba hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Hirariana hitondra voka-tsoa ho an’ny Madagasikara hatrany izany fiofanana izany.
Miora Raharisolo
