ActualitésTatitra

Italie : Lehilahy nanolana sy nandrasarasa vehivavy iray no nangataka fanalefahan-keloka

Tsy arakaraky ny anarany ny toetran’ny olona. Nifanena tamin’ny tovovavy iray 18 taona nantsoina hoe Pamela Mastropietro tao amin’ny valan-javaboahary Diaz i Innocent Oseghale, 32 taona tamin’ny 28 janoary 2018. Nampanantenain’io lehilahy io zava-mahadomelina io tovovavy io ka nanaraka azy tany an-tranony. Rehefa nanomboka domelina i Pamela Mastropietro dia naolan’i Innocent Oseghale, ary rehefa vitany ny filàn-dratsiny dia notsatohany antsy ary norasarasainy ny razan’ilay tovovavy.

Manoloana ny tranga dia voaheloka higadra mandra-pahafatiny i Innocent Oseghale miaraka amin’ny « peine de sûreté » 18 taona. Nangataka ny fanalefahan-keloka nefa io lehilahy io ny alarobia teo ary nilaza fa tsy nanolana an’i Pamela Mastropietro indray. Mety hampihena ny sazin’i Innocent Oseghale io antso io raha ny fanazavana. Noho izany dia niditra tao amin’ny fitsarana niaraka ny akanjo nisy ny sarin-janany voarasarasa ny renin’i Pamela Mastropietro. « Dimy taona taorian’ny tranga dia very toky amin’ny fitsarana aho » hoy ity farany. « Inona no tokony fitsarana an’i Oseghale sy hametra-panontaniana indray momba ny herisetra miharihary efa vitany ? » raha ny fanontaniana napetrany.

Laisser un commentaire