ActualitésTsidika

Antalaha : Nisehoana halatra trafon’omby tao  amin’ny kaominina Ambanivohitra Ampahana.

Nitrangana tranga hafahafa indray tao amin’ny Fokontany Andranotsara, Kaominina Ambanivohitra Ampahana Distrikan’Antalaha. Omby iray no hita tsy nisy trafony intsony ny 18 Jona. Tranga tsy dia mahazatra loatra ity indray mitoraka ity satria dia nodidian’ireto olon-dratsy velona ny trafon’ny omby ary  tsy naka ankoatr’izy  ireo. Araka io voina io dia voatery novonoina tanteraka ilay omby niharam-boina.

 Mbola mampanontany tena ny maro hatreto ny anton’izao zava-mitranga izao na hasoparana na efa fomba fiady vaovaon’ireo olon-dratsy indray. Manomboka miaina anaty horohoro ihany koa ao antin’izay ireo mponina any an-toerana satria manahy ny fisian’ny tranga hafahafa toy ireny fangalarana maso ireny. “Mandry tsy lavo loha izahay amin’izao sotasota ataon’olon-dratsy izao ary manahy ny hiverimberenan’ny tranga toy izao ihany koa, manainga ny zandary mba hijery ifotony izao tranga izao mba hampilamina ny vahoaka”, hoy i Doris mpiompy.

Ny teo anivon’ny zandarimaria kosa dia nanambara sy nanome toky ireo vahoaka fa ho arahin’izy ireo ity raharaha ity ary ho karohina ny antony hanaovana izao hasoparana izao ary koa ho fantarina ny olona nanao azy.

Antenaina araka izany mba tsy hisy ny fiverimberanan’ ny tranga tahaka ity izay tsy hita raisina ho asan-dahalo anefa kosa mitondra fatiantoka hoan’ny mpiompy satria dia voatery vonoina  tsy araka ny fotoana ilay omby izay mety ho omby fampiasan’izy ireo amin’ny asa an’izy ireo na koa omby natao hamokatra.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire