ActualitésTsidika

Managataka ny hanaovana vaksiny ny mpiasany ireo sehatra tsy miankina mpanafatra fanafody

Antsitra-po fa tsy terena ny fanaovam-baksiny, ary maimaim-poana izany eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana ary ny olona marefo sy antitra no hisitraka izany aloha amin’izao. Nanolotra taratasy ho an’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny vondrona mpandraharaha eto Madagasikara, na ny EGM, izay misy ny Fikambanan’ny mpanafatra ambongadiny ny fanafody eto Madagasikara (AGRIMM) sy ny Lamina nasionaly ho an’ny mpivarotra fanafody na ny ONP. Mirakitra ny fangatahan’izy ireo mba hanamorana ny fisitrihan’ireo mpiasa ao aminy ny vaksiny ao amin’izany departemantan’ny Minisitera izany izy ireo. Hatramin’ny nanombohan’izao aretina Covid-19 izao mantsy dia nihena ny mpiasa. Nisy ny mpiasa sy mpiara-miasa maro ary indrindra ireo mpitondra orinasa maty ka nampihena ny sehatra ekonomika izany. Eo ihany koa ny vokatry ny fanidiana ny sisin-tany sy ny faritra ka niteraka fatiantoka lehibe izany. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny AGRIMM sy ny ONP izay maro lafy tokoa no mety hisy hifandraisany amin’ny fanafarana ataon’ny fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina. Koa noho izany indrindra no nanaovan’izy ireo izao taratasy mikasika ny hanaovana vaksiny ny mpiasa ao aminy izao. Mahatsapa tena ho laharam-pahamehana izy ireo ka mila vaksiny haingana satria isan’ireo miantoka ny fanafody eto Madagasikara fa sehatra tsy miankina fotsiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire