Mafana tratra : Inona tokoa moa izany ?
Ny teny hoe « Mafana tratra » dia fiantsoan’ny Ntaolo ireo vehivavy maty vady mihoatra ny indroa. Raha indroa izany dia efa manomboka mametra-panotaniana ny manodidina fa raha mihoatr’izany dia efa voasokajy ho « mafana tratra » ilay vehivavy. Na miova tanàna aza izy dia mandeha izay tsy izy ny toho-tsofina noho izy lazaina fa « mandringana ny zana-bahoaka ».
Raha ny tantara sy ny lovantsofina dia mety mahafaty vady miisa fito ny vehivavy mafana tratra raha tsy voatsabo. Vokatry ny ozona avy amin’ny razambe mantsy matetika io zava-mitranga io. Mety ho vokatry ny ody mahery vaika tazonin’ny vehivavy na nohon’ny tromba ratsy mipetraka amin’ilay vehivavy antsoina koa hoe « tromba vady » ihany koa nefa izany.
Manoloana izany dia azo tsaboina ny mafana tratra. Ara-pomba dia ny fanampahana ny ozona, fanarenam-bitana, ny fandroahana fanahy ratsy na tromba ratsy, ny fivavahana mafonja no fanafodin’izany. Azo sorohana ihany koa nefa izany fijerena vintana sy fela-tanana vao kely ny vehivavy.
Ranavalona I dia anisan’ireo vehivavy « Mafana tratra ». Nihoatra ny impolo maty vady izy. Maranitra antsy kosa no filazana ny lehilahy maty vady mihoatra ny indroa.
Hasina Rasamimanana
