Actualités

Ambohimanalaza : Tratra ilay mpangalatra kisoa

Tra-tehaky ny fokonolona tao Ambohimalaza ny lehilahy iray mpangalatra kisoa. Alina teo am-panatanterahany ny asany no nahazoana azy.

« Manao ramoramanana fotsiny. Tsy te hisasatra be fa izay kely angonin’ny hafa no alaina. Tena tokony hofaizina be mihitsy fa tena betsaka ny hala-botry ety amin’ny tanàna » hoy i Hery, mponina ao Ambohimalaza Avaradrano. « Tokony ho apetraka ny sazy na hiaraha-mametraka amin’ny Fokonolona mba hahafay tanteraka ireo mpangalatra eto. Ampahafantarina azy fa tsy hitsitsy mihitsy ny vahoaka raha mahatratra eo » hoy i Toky, raim-pianakaviana monina ao Ambohimalaza.

Isan’ny lesona be omena ireo mpangalatra namany tsy mbola tratra ny fanasaziana azy. Efa betsaka ny fitsaram-bahoaka teto amin’ny firenena fa mbola manjaka foana ny tsy fandriam-pahalemana. Efa nasiana ny fonja aman-taonany. Inona no tena sazy mendrika ny mpangalatra tsy hamerenany ny sazy intsony ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire