Alaotra Mangoro : Miakatra ny isan’ny marary, tsara raha arahina hatrany ireo fepetra sakana
Manentana ny mponina hanaja ireo fepetra sakana rehetra hisorahana amin’ny firongatry ny covid-19 ny Prefet an’Ambatondrazaka. Efa miha mitombo ihany koa mantsy ny olona marary any an-toerana.
« 19 tamin’ireo 38 nanaovana fitiliana no voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus any Alaotra Mangoro » hoy ny tatitra nataon’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. « Andro vitsy fotsiny dia efa niakatra be ny isan’ny marary. 50% tamin’ireo olona nanantona tobim-pahasalamana, mbola tsy vita fitiliana, no tafiditra ao anatin’ny tranga ahiana » hoy ny tompon’andraikitra misahana ny fahasalamana any Alasotra Mangoro.
« Mila mitandrina sy manaraka ireo fepetra napetraka ny rehetra. Ho hentitra ny fampanajana izany hisorohana amin’ny hisian’ny fihibohana indray » hoy ny avy ao amin’ny CRCO Alaotra Mangoro.
Mbola azo lazaina fa maro ireo tsy vita vakisny any an-toerana noho ny fisalasalana. Tena miaro sy vahaolana amin’ity aretina ity tokoa ve ny fanaovam-baksiny ?
Nicole Rafalimananjara
