ActualitésTsidika

Ny vohitra masin’Ambohimanambola

Vohitra iray eto Antananarivo ao antin’ny distrikan’Avaradrano Ambohimanambola ary manana ny tantarany koa raha teo amin’ny tantara taloha teto Madagasikara, indrndra teto Imerina. Manana ny teny filamatra ny kaominina di any hoe « Ny fitiavako tsy avelako ho lo fa zaraiko amin’ny taranako ».

Anisan’ny toerana ahitàna zavatra mahaliana maro izy ankehitriny, ary maro koa ny foto-drafitr’asa vaovao an-toerana, toy ny « central thermique » an’ny Jovena ao, ary hita ao an-toerana koa ohatra ny Gare routière vaovao mitondra ny anrana hoe « fisandratana ».

Amin’ny maha vohitra masina azy dia manana ny tantarany Ambohimanambola, anisany hita ao an-toerana mandrank’Ankehitriny izao ny fasan’ny Andriana Andrinandritany izay miorina ao Ambohibato izay zanaky ny mpanjaka Andriamasoandro. Raha ny hafatry ny mpanjaka Rangita dia toerana tsy natokana honenana ion oho ny antony aran-tsampy manokana. Ka izay indrindra no nametrahana ny fasan’ny Andrinandritany tao. Toy izany ihany koa ny vato masin’ny Ralambo, isan’ny mpanjakàn’ny Madagasikara.

« Tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia Ambohimanambola no toerana fitehirizana ilay sampy “Kelimalaza”, hajain’izy ireo fatratra tokoa mantsy ny mifidy azy ho mpanjakavavin’ny sampy masina 12, izany hoe raha amin’ireo tendrombohitra 12 di ao Ambohimanambola no misy ny mpanjakan’ny sampy dia kelimaza izany. Tapa-kazo 2 mendrika  » V « , menaka,  vato avy nanaovana sorona biby, hoditra, firavaka sy volafotsy ; ireo rehetra ireo no nofatorana lamba landy miloko mena ka mandrafitra an’i Kelimalaza », hoy ny ny fintataran’ny Olobe iray monina ao an-toerana.

Anisan’ny maha Malagasy ny Malagasy ny fomba amam-panao maro samy hafa, na dia efa manjaka azan y teknolojia isan-karazany dia mbola misy ihany koa ireo manaja ny fe-petra sy fomba rehetra. Tanàna ahitàna fandrosoana sy fivoarana be Ambohimanambola ary tena hita taratra amin’ny alalan’ireo zava-mahavariana ao an-toerana izany.

Raha vao miresaka fotsiny hoe Ambohimanambola dia ireo karazana toerana fitsangatsanganana maromaro tonga ao an-tsaina. Indrindra fa rehefa tonom-pety iny, raha ho an’ny olona eto an-toerana indrindra mantsy di any toerana toy ireny no tena mahasarika azy, misongadina mhintsy izany toerana izany raha ho an’ny mponina eto andrenivohitra.

Ankehitriny dia ahitàna toeram-pianarana miakina sy tsy miankina maro ao an-toerana ary miisa 10 ny fokontany ao an-toerana. Ahitàna trano fandraisam-bahiny koa izy ary azo ivantanan’ny mpivahiny tsaraarak’izany, tsy latsa-danja koa ny fairaha-monina ao an-toeran fa mahay mandray olona tsara. Tsy dia misy toerana fadifady ao fa misy toerana manan-jina fotsiny ka tokony anjaran’ny mpitsidika fotsiny no manaja. Ahitàna tantsaha mamboly sy miompy ao, ary misy toerana manokàna fanaovam-biriky efa ela koa ary mbola maro ireo olona mpisehatra amin’izany no miasa amin’izany ao an-toerana.

« Mbola azo atao koa anefa ny fanitàrana ny resaka fandraharahana, nyresaka fizahan-tany izao dia afaka hajariana ho toy ireo vohitra hafa misy rova sy vakoka koa Ambohimanambola, toy ny any ivelany izao na ny vato kely tamin’ny vanim-potoana fahiny aza dia efa vakoka izay ka andanian’ny mpitsidika vola mihitsy ny mijery azy ireny. Tsy voatery hiandry ny vakoky ny firenena nisy naka toy ny satrok’i Ranavalona voalohany sy ny karan-dohan’ny Ratsimamanga ihany vao azo atao hoe manana vakoka i Madagasikara fa izay efa eto aloha no ajariana » hoy kosa i Hary mpanidinika fiainam-pirenena iray.

Tsy amin’ny maha vohitra masina an’Ambohimanambola ihany akory no tokony hikarakarana azy tsy hoe fanajàna ny Andriana fahiny ihany fa tokony karakaraina ihany koa ny toerana toy ireny satria raha vakoka sy tantara miraikitra an’ny firenena ka tokony tsy atao ambnanin-javatra. Na ny bozaka manodidina ireny toerana manan-tanatara ireny aza anefa dia tsy vaoaala. Ny efa ananana ihany anie no tokony ho kojakojaina mba hamiratra sy hahazoana tombon-tsoa. Azo atao koa ny maka tahaka kely ny ataon’ny mponina ao Ambohimanga, izany hoe manao asa tanana kely mifandraika amin’ny toerana mahaliana.

Lovasaoa Tojonirina

Laisser un commentaire