ActualitésTsidika

Ceni : Ankatoky ny fahataperana ny taom-piasan’ireo mpikambana

Roa andro sisa no andrasana dia hifarana sy hiala tanteraka amin’ny andraikitra nosahaniny ireo mpikambana eo amin’ny kaomity mahaleotena misahana ny fifidianana. Etsy andaniny, mbola tsy fantatra mazava ireo mpiakambana vaovao hisola azy.

Solontena avy amin’ny solombavam-bahoaka, mpitsara, mpanao gazety sy ireo olom-boatendry isan-tsokajiny no hanatontosa izay fifidianana izany raha ny voarakitra anaty lalàna mifehy azy. Tsihahivina fa mpikambana miisa sivy no mandrafitra ny kaomity mahaleo tena misahana ny fifidianana. Ny Filoham-pirenena no hanendry ny iray amin’izy ireo raha toa ka ireo olom-panjakana tandrify izany no hifidy ireo mpikambana valo ambiny. Ny 05 novambra ho avy izany no ho tanterahina izany fifidianana izany raha ny tety andro napetrakin’ny lalam-panorenana mahakasika ny fifidianana.

« Angatahina ny hisian’ny mangarahara mandritra izany fifidianana izany ho porofo amin’ireo vahoaka fa mahaleotena tanteraka ny vondrona ary tsy manjaka intsony ny kolikoly » hoy i Koly, mpianatra. « 60 andro mialohan’ny hiafaran’ny taom-piasana no tokony hanendry ireo mpikambana vaovao ireo mpikambana teo aloha, saingy tsy mifanaraka amin’izany lalàna izany intsony ny zava-mitranga ankehitriny » hoy i Johane, mpianatra taona fahadimy mahakasika ny lalàna. « Efa fantatra nandritra ny fivoriana ara-potoana andiany faharoa, izay notontosaina teny amin’ny Antenimierampirenena ireo solo-tena avy aminay solombavam-bahoaka hiatrika ny fifidianana ireo mpikambana eo amin’ny Ceni » hoy i Naivo Raholdina, solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny boriboritany fahadimy.

Manana anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny Ceni noho izy izay hery iray miantoka tanteraka ny filaminan’ny fifidianana izay hotontosaina eto amin’ny firenena. Rehefa milamina sy mandry fahalemana tsara ny firenena, mandroso hatrany ireo tetikasa sy paik’ady hitondrana fampandrosoana ho an’ny firenena. Andrasana noho izany ny fangaraharan’ny fanoloana ireo mpikambana vaovao eo amin’ny Ceni.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire