ActualitésTsidika

Tsy eken’ireo vahoakan’i Tsaratanana ny fanakatonana ny orinasa APC ao Andriamena

Nitsahatra ny asa fitrandrahana kraoma ataon’ny orin’asa APC ao amin’ny faritr’i Betsiboka, ditrikan’ny Tsaratanana, kaominina Andriamena. Nogiazan’ny mpitandro filaminana avy aty Antananarivo sy ny vadin-tany ireo fitaovana ary nakatona ny orinasa

Fifanolanana ara-barotra amin’ny orinasa Sinoa iray mpanelanelana eo amin’ny sehatra ara-barotra harena an-kibon’ny tany no anton’izao fanakatonana izao. Etsy andaniny, anisan’ireo miantoka ny ampaham-bola ampiasain’ny kaomina amin’ny kitapom-bolany ny orinasa APC, izay niditra tao Andriamena nanomboka ny taona 2015. Niteraka savorovoro sy korontana tany an-toerana ity tranga ity noho ny tsy faneken’ireo mpiasa maro ny fanakatonana ny orinasa, izay tsihahivina fa manana ny taratasy hitrandraka ara-dalàna sy ara-panjakana. Maro ireo olona very noho izany, mihena ny tombotsoan’ny kaominina amin’ny haba sy hetra izay hefain’ity orin’asa ity. Fandrosoana maro no mihantona amin’izao, maro ireo tsy an’asa, koa anisan’ny ahiana hitarika tsy fandriam-pahalemana any an-toerana.

Tonga aty amin’ny faritra Analamanga ireo tompon’andraikitra sy ireo olom-boafidy tany an-toerana amin’izao fotoana hanamafy ny fitakian’izy ireo ny hiverenan’ny orinasa. « Ambara matetika fa tany tan-dàlana anefa i Madagasikara saingy indrisy fa toa tsy mitovy amin’izany anefa ny zava-miseho ankehitriny. Tsy nisy ny fampilazana sy fampahafantarana mialohan’ny fanakatonana » hoy i Ernest, solotenan’ny mpiasa. « Hanampy isa ireo jiolahy sy mpangalatra ve izahay ? » hoy i Sahaza, mpiasa iray. « Misy akony tanteraka amin’ny toekaren’ny kaomina sy ny fiainana ara-tsosialy izao zava-miseho izao », hoy i Rakototsalama Faly, ben’ny tanànan’Andriamena. « Miangavy ireo tompon’andraikitra hijery hifotony izao raharaha izao fa maro ireo olona very asa vokatr’izany, tombotsoa maro ho an’ny kaominina Andriamena ihany ko no mikatso ankehitriny » hoy i Ratsimanosika Zozo, solombavam-bahoaka voafidy tao Tsaratanana.

Mifanohitra tanteraka amin’ny veliranon’ny filoham-pirenena amin’ny fametrahana indostria, fametrahana orin’asa isaky ny distrika ary fampanan’asa ho an’ny tanora izao zava-misy ankehitriny izao. Voarakitra ao amin’ny velirano faha enina mantsy ny « asa mendrika ho an’ny rehetra. Ampitomboina ny isan’ny asa, mampiofana sy manampy amin’ny fitadiavana asa, manamafy ny fahaizan’ny firenena, mamorona masoivohon’ny asa » izany raha tsihahivina. Fampanantenana sy fanantentarahana mifanohitra tantraka ny hita amin’izao fotoam-pitondrana izao, fampandrosoana toy inona no hantenaina amin’izany ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire