Andrehareha Alasora : Namboarina ny lalan-kely
Nasiam-panamboarana ilay lalan-kely ao Andrehareha, Kaominina Ambanivohitra Alasora. Efa ho avy tokoa mantsy ny vanim-potoanan’ny orana ka hanahirana ity lalana ity raha tsy vita teo.
« Betsaka ny fitaraianana voaray mikasika ity lalan-kely makany amin’ny tanàn’Andrehareha ity ka isaorana indrindra ny orinasa Leader Price nanamboatra sy namatsy vola amin’izao fahavitany izao » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina. « Efa nisy fotoana nirobo-drano mihitsy fony tsy vita ity lalana ity noho ny haratsiany indrindra rehefa fahavaratra ka hinoana fa ho tsara ny lalana rehefa milatsaka ny orana » hoy i Volasoa, mponina ao Andrehareha. « Ny lalan-kely dia tena misy fiatraikany lehibe amin’ny andavan’andron’ny mponina eny ifotony, matetika manko ny lalan-kely dia tsy jerena mihitsy fa ny arabe ihany no ezahina hatsaraina noho izy hita maso sy midadasika kanefa ny lalan-kely tahaka itony no tena hatsapan’ny vahoaka fa miasa ny kaominina » hoy i Johnson, injeniera amin’ny asa vaventy.
Nampimenomenona ny olona ny haratsin’ity lalan-kely ity. Ny rano fisotro madio indray izao no mila ezahina manaraka satria tena mampijaly ny fahasalam-bahoaka loatra ny tsy fisian’izany. Vita ny tetik’asa iray dia misy manaraka foana, rahoviana vao ho feno ny filàn’ny vahoaka ?
Nicole Rafalimananjara
