ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nanolotra fitaovana ho an’ny EPP Ambohimangakely ny Rotary Antananarivo

Nanolotra fitaovana toy ny solosaina sy dabilio ho an’ny EPP Ambohimangakely, ny avy ao amin’nyRotary Antananarivo ny faran’ny herinandro lasa teo. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Rotary Antananarivo sy ny kaominina Ambohimangakely no nampisy izany, raha ny voalaza.

« Hisaorana manokana ny avy amin’ny Rotary Antananarivo tamin’ny fanampiana izay natolony ary mbola manantena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana nandritra ny fandraisana ireo fanomezana sy fitaovana.

« Mikasika ny mpianatra manokana ny fanolorana fitaovana enti-manatsara ny kalitaon’ny fianarana tahaka izao. Rehefa araka ny tokony ho izy sy ampy ireo fitaovana sy filàna ilain’ny mpianatra sy ny mpampianatra dia tsara ho azy ny kalitan’ny fampianarana » hoy i Mihanta, mpampianatra amin’ny ambaratonga fototra.

Anisan’ny manohana ny fanabeazana sy ny fampianarana ety amin’ny ambaratonga fototra ny hetsika tahaka izao. hitondra fandrosoana eo amin’ny fampianarana tokoa raha samy handray an-tanana hanolotra fanampiana ny eny ifotony ireo fikambanana na vondrona isan-tsokajiny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire