Russie : Renim-pianakaviana nitsambikina avy eny amin’ny rihina faha-19 niaraka tamin’ny zanany
Tao Moscou no niseho ny tranga andro vitsivitsy lasa teo. Renim-pianakaviana 34 taona i Olga, nitsambikina avy eny amin’ny rihina faha-19 tamin’ ny trano nipetrahana niaraka tamin’ny zanany roa lahy iray volana sy telo taona. Notrotroiny izy roa lahy raha ny fanazavana alohan’ny nitsambikinany teo amin’ny varavarankeliny.
Maty teo no ho eo izy telo mianaka ary nahita taratasy tao an-tranony ireo mpitandro ny filaminana nanazava fa « tsy te hamela ny zanany eto amin’ity tany miady ity » izy. Niditra hopitaly avy hatrany ny vadiny, Dimitri rehefa nahita ny zava-niseho. Tratran’ny aretin’ny fahaketrahana tao aorian’ny fiterahana na ny « dépression post-natale » ity renim-pianakaviana ity rehefa natao ny fanadihadiana.
