ActualitésTsidika

Sosialy : Nahazo fiara tsy mataho-dalana ny faritra Itasy sy Amoron’i Mania

Nahazo fiara enti-miasa ny faritra Itasy sy Amoron’i Mania. Ireto farany izany faritra isan’ny manana Distrika betsaka misitraka ny tetik’asa Haraton’aina.

« Vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ity tetik’asa ity. Izahay avy eto amin’ny Ministera sy ny FID no manatantreaka izany eny ifotony » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny mponina. « Ahafahana manantanteraka an-tsakany sy an-davany ireo asa tanterahana ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka ny fisian’ny fiara. Hanasoavana ny vahoaka noho izany ireto fiara ireto » hoy ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana Sosialy ao amin’ny Ministeran’ny mponina, Rivomanana Ghisbert. « Tena ilaina tokoa hampandrosoana ny faritra ny tahaka izao. Tsy maintsy mandroso i Madagasikara, izay no tanjona iombonana » hoy ny solontenan’ny faritra roa tonta. Fiara tsy mataho-dalana ahafahana mitety ny toerana rehetra ity nomena azy ireo ity. Tena ilaina tokoa eo amin’ny fampandrosoana izany.

Irariana mba tsy hijanona eo ihany ny tetik’asa fa hitohy manerana ny faritra rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire