Fandriam-pahalemana : Miasa ho an’ny vahoaka ny mpitandro filaminana
Tonga nanatona ireo mpiara-miasa eo ambany fiadidiany ny Ministry ny Filaminam-bahoaka. Nitsidika sy niarahaba noho ny taom-baovao ireo mpitandro filaminana izy.
« Misaotra tamin’ny ezaka vitanareo. Tsy afaka nifety am-pilaminana ny vahoaka raha tsy teo ianareo » hoy ny Ministra. « Efa fanao isan-taona ny taom-baovao eto amin’ny Polisim-pirenena. Teto dia ny Ministra mihitsy no nanantona anay. Mitohy hatrany ny asa ary hohezahana hihatsara hatrany » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Nahitam-pihenana tsy toy ny isan-taona ny trangana tsy fandriam-pahalemana voarain’ny Polisy tamin’ny fety teo » hoy ny lehiben’ny Polisim-pirenena.
Marihina fa asa fangalarana miisa 35 no saron’ny Polisy ary olona 338 no tratra manerana ny nosy nandritra ny faran’ny taona sy taom-baovao teo. Irariana mba hitohy foana ny fihenan’ny tsy fandriam-pahalemana.
Nicole Rafalimananjara
