Miitatra ny adin’ny « ambany tanàna »
Tsy nijanona teo amin’ny Solombavambahoaka Rahasimababa Paul-Bert sy ny Filohan’ny Fitrama sy Hafari Malagasy Jean Nirina Rafanomezantsoa irery ny adin’izy ireo fa niditra an-tsehatra nanampy azy ireo ny fikambanana « ambany tànana » roa : ny iray tarihin’ny andaniny moa ny iray miara-miasa sy manohana ny ankilany. Samy te hiaro ny azy.
Namory mpanao gazety teny amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina ny Fikambanana Mainty izay fikambanana ambany Tanana miara-dalana amin’ny Solombavambahoaka ny Boriborintany fahaefatra ary nanao fanambarana fa nesorina tsy ho mpikambana intsony ny filohan’ny Fitrama.
« Tsy zakanay raha ny mpitarika anay no tenitenenina sy aratsiana fa atokisanay izy matoa apetrakay eo » hoy ny mpitondra tenin’ireto farany. Nilaza ihany koa izy ireo ny tsy anononan’i Jean Nirina ny anaran’ny Filoham-pirenena isakin’ny manao fanambarana, ny antony moa dia tsy fantatra. Niantso fifanantonana kosa izy ireo raha misy ny tokony hifampiresahana fa tsy tokony ho vahana amin’ny resaka sandry ny raharaha.
Tetsy an-daniny, nipoitra avy ihany koa ny Fikambanana ambany Tanana iray hafa izay mitondra ny anarana « Vondron’ny Ambany Tanana Miray » (VAM) izay niantso mpanao gazety ihany koa tetsy Anosizato. Nandritra io valan-dresaka io no nitanisain’i Botomavo Laurent, Filohan’ny fikambanana ireo tetik’asa sy vinan’izy ireo. Nanambara ihany koa izy ireo fa manohana ny Filoham-pirenena ary manameloka tanteraka ireo mikasa ny hifofo ny ainy.
Tao aorian’izay dia nanararaotra ny fisian’ireto mpanao gazety ny Filohan’ny Fitrama ka namaly sahady ny fanambaran’ny Fikambanana Mainty. Nilaza izy fa tsy mahalala ny fisian’io fikambanana io akory ary nanindry mafy fa tsy an’ny Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka tsy tokony ho olana ny fanononana ny anarany. Novakiany bantsilana teo ihany koa fa efa nisy ny fifanantonana teo amin’izy ireo sy ny Solombavambahoaka Rossy ny amin’ny fitadiavana filaminana kanefa dia izao no mitranga. Naborany teo ihany koa fa efa ela no nisian’ny ady mangatsiaka teo amin’ny roa tonta nohon’ny tsy fahazakan’ny Depiote ny fandrosoan’ny tetikasa « Exode Urbain » iandraketan’ny Filohan’ny Hafari. « 11 taona no nisehatra teo amin’io tetikasa io izahay, i Rossy vao roa taona izay dia milaza izy fa azy ny Tanana » hoy ity farany.
Hita taratra eto amin’ity raharaha ity fa dia samy tsy misy manaiky ny roa tonta, fa izay mandalo dia vavany avokoa, toa mampahatsiaro an’ilay fomba fitenin’ny ankizy hoe «katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahazaka mipitika’’. Raha teto amin’ity sehatra ity kosa aloha dia tsapa sy re fa manjaka ny demokrasia eto Madagasikara. Niampy iray ny tantara mitohy eto amin’ny firenena: raha mbola tsy tapitra akory ny raharaha «Appollo 21’’ dia manomboka sahady ity ny raharaha ambany Tanana.
Tsangy Randriamampianina
