PolitiqueTsidika

Ambohimanga Rova : Hihaona amin’ireo tompon-tany ny Ministera

Hisy ny fihaonana ataon’ny ministeran’ny asa vaventy sy ny avy ao amin’ny fanajariana anio amin’ny 10 ora maraina. Hiresaka mikasika ny tetik’asa « Autoroute » izay mampitohy an’Antananarivo Toamasina izy ireo.

« Miantso antsika manana tany na tanimbary na fasana voakasik’ity tetik’asa ity ho tonga hivory. Ety amin’ny EPP Soavinandriamanitra ny fotoana. Voakasika amin’izany ny fokontany Ambohimanga, Avarakady, Soavinandriamanitra, Ambihitrimo, Miakadaza, Andranovelona, Ambohibololona, Alakamisy, Mangabe » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova. « Hidinika sy hihaona amintsika vahoaka ny Ministera hanome izay tsara ho fantatra mikasika io tetik’asa io. Tongava maro fa zava-dehibe no hodinihana » hoy hatrany izy ireo.

Tsara hatrany ny manatrika ny fivoriana tahaka izao mba tsy hisian’ny olana any aoriana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire