18 Jolay : Andro iraisam-pirenena « Nelson Mandela »
Ny Unesco no nametraka, tamin’ny 10 novambra 2009, fa atao andro fahatsiarovana ny tolon’i Nelson Mandela ho an’ny fanavakavaham-bolon-koditra ny daty 18 jolay. Izy no filoha mainty hoditra voalohan’ny Afrique du Sud nampiroborobo ny fandriampahalemana ara-kolontsaina.
Mandritran’ny fankalazana dia antsoina ny olom-pirenena tsirairay eran’izao tontolo izao hanokana 67 minitran’ny fotoanany hanaovana asa soa ho an’ny fiaraha-monina ho fahatsiarovana ny 67 taona natolotr’i Nelson Mandela ho an’ny fitolonana ho an’ny rariny ara-tsosialy, ho an’ny fampihavanana ary ho an’ny fahasamihafan’ny kolontsaina.
Marihana fa daty nahaterahan’i Nelson Mandela ny 18 Jolay ary ny daty 18 Jolay 2010 fankalazana voalohany ny andro iraisam-pirenena dia nifanandrify tamin’ny fankalazana ny faha-92 taonany.
