ActualitésTsidika

Kolontsaina: Manana solontena hiatrika ny lalao iraisam-pirenena amin’ny fandrahoana sakafo i Madagasikara

Hiatrika ny lalao “International Catering Cup” ry Chef Lalaina no hahalalan’ny be sy ny maro azy ao anatin’ny dingana famaranana. Olona miisa 3 no handrafitra izany ekipany izany dia i Chef Lalaina Ravelomanana, Fenosoa Rahajamalala ary i Bodosahondra Rakotovao. Fifaninanana mifototra amin’ny fahaiza-mahandro sy fahaiza-maneho sakafo ity hatrehan’izy ireo ao Lyon ity ny 17 ka hatramin’ny 19 janoary 2023 ho avy izao.

“Hitondra avo ny anaran’ny Madagasikara no tanjona. Hampahafantatra ihany koa ireo karazana sakafo fahandrontsiaka aty mba hahafahan’ireo mpitsara migoka ny hamaminy. Farany hampahafantatra ihany koa ireo vokatra mampiavaka an’ny Madagasikara erak’izao tontolo izao amin’ny maha nosy manankarena tsiron-tsakafo maro antsika”, hoy i Chef Lalaina.

“Miavaka foana isika Malagasy rehefa manao fifaninanana iraisam-pirenena. Manana ilay teboka kely mampalaza sy talenta iray mampiavaka hatrany. Manam-pahaizana ihany koa ireto mpahandro sakafo hisolo tena ireto ka hinoana fa tsy hitsanga-menatra ny firenena amin’izany”, hoy kosa i Jonathan, efa mpanjifa ao amin’ny Marais Restaurant, izay toeram-piasan’i Chef Lalaina.

Toy ny lalao “Star Academy” farany teo izay natao tao Europe izay norombahan’i Anisha izay Malagasy monina any ivelany. Anjaran’ireto mpiakarakara lakozia ireto indray ny mitondra ny amboara mody amin’ity sehatra hafa ity. Manan-talenta ny Malagasy. Mbola maro ihany koa ireo talenta tsara trandrahana eny anivon’ny fiaraha-monijna eny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire