France : Mitokona ireo mpampianatry ny sekoly Guy-Gérard ao Ille-et-Vilaine
Mitokona ny mpampianatry ny sekoly Guy-Gérard ao Pacé, Ille-et-Vilaine manoloana ny trangan’herisetra nataona mpianatra iray tamin’ny mpampianatra azy. Raha tsiahivina dia ankizy 10 taona monja no nanao herisetra am-bava sy ara-batana tamin’ny mpampianatra azy ny herinandro lasa teo. Notorahan’io mpianatra CM2 io kiraro ary saika nodarohany tamin’ny ary « béquille » ilay mpampianatra. Mpianatra iray hafa no nanaka azy.
Tsy afaka helohana io zaza io manoloana ny taonany hoy ny mpampanoa lalàna tao Rennes. Nanamafy izy fa ny hiroana any amin’ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha raha entina alohan’ny fitsarana. Misedra tsy « troubles du comportement » mantsy ilay ankizy io kanefa tsy misitraka fanampiana manokana.
Manoloana izany dia naato tsy nianatra fotsiny io zaza io nanomboka ny 22 novambra ary niverina an-tsekoly indray ny 28 novambra teo, fotoana nanombohan’nyfitokonan’ireo mpampianatra.
