ActualitésTsidika

Tafapetraka eto amintsika ny ivotoeram-panaraha-maso nasionaly ny fampiasana akora simika (CHEMOBS)

Natsangana ny CHEMOBS izay hahafahana manara-maso ireo akora simika eto Madagasikara ka eo ambany fandrindran’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Maro tokoa mantsy ireo akora simika mitera-doza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.

« Loza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny akora simika toy ny mercure, ny plomb, ny arsenic, ny famonoana bibikely, ny Chlorofluorocarbures (CFC), ny Hydrochlorofluorocarbures (HCFC), ny cyanure, ny fluorure, ny benzene, ny fako isan-karazany » hoy i Dr Andry. « Nametraka ny CHEMOBS mba hitantanana ny akorac simika eto izay fanampiana avy amin’ny FME no nahafahana nametraka izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

« Mavesatra ho an’ny toekarena ny fiantraikan’ny fampiasana akora simika amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Io no vokatry ny fandalinana natao mahakasika ny fampiasana akora simika. Raha mampiasa vola 1 ariary anefa isika hanamafisana ny traikefa amin’ny fitantanana ny akora simika dia ho voasoroka ny fandaniana 108 ariary amin’ny fitsaboana » hoy ireo mpahay toe-karena.

« Manampy an’i Madagasikara ny OMS sy ny PNUE satria vao sambany isika no nisitraka izany. Ny asa atao voalohany indrindra dia ny hanana antontan’isa sy antontan-kevitra momba ny fampiasana akora simika ahafahana mandray fepetra hisorohana sy hampihenana ny voka-dratsiny » hoy Jean Louis Rakotovao, Minisitry ny fahasalam-bahoaka.

Ratsy tokoa ny akora simika eo amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana aknefa isika vahoaka no tena fototra mpampiasa azy ireny ary isika ihany no hizaka ny vokany. Koa samia ary miezaka ny tsy hanaparitaka indrindra ny tsy dia hampiasa matetika ny akora simika ho fanavoatana ireo taranaka rahatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire