SocialTsidika

Atsimo Atsinanana : Miroso amin’ny fanomezan-tsazy ireo tsy manaja ny fepetra ny mpitandro filaminana

Miroso amin’ny fanasaziana ireo tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana ny mpitandro filaminana any Atsimo Atsinanana. 93 no voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus nanomboka ny 6 desambra teo tany an-toerana.

« Efa mirongatra ny aretina covid-19. Ao ireo minia tsy manao arovava orona. Mila ampatsiahiviana hatrany izy ireny amin’ny asa ho an’ny vahoaka fa tena ilaina ny arotava  » hoy ireo mpitandro filaminana any Atsimo Atsinanana. « Miara-mientana ny rehetra amin’ny ady amin’ity areti-mandoza ity isika. Ny mponina eny andalana dia samy miray hina mifananatra mba tsy hiparitahany. Tompon’andraikitra ny rehetra » hoy i Johary, mpitsabo.

« Namanao fa tsy fahavalonao ny Zandarimariam-pirenena. Fiarovana anao no antony hampiharana ny didy aman-dalàna » hoy ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena. Tsy vitsy ireo efa nomena ny sazy toy ny fanadiovana ny lalana sy ny sazy hafa. Handray andraikitra hentitra ihany koa ny mpitandro filaminana ao anatin’ireo faritra telo voakasiky ny fahamailoana ara-pahasalamana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire