Ankadikely ilafy : Hisy ny didimpoitra faobe andiany faharoa
Ho tanterahina ny 30 jolay 2022 ny didimpoitra faobe andiany faharoa, karakarain’ny kaominina. Eny amin’ny kianjan’ny fifankatiavana no hanatanterahana izany manomboka amin’ny 07 ora maraina.
« Hetsika efa fanao isan-taona izy ity ho fanampiana ny ray aman-dreny. Ny Polyclinique Ilafy no hiara-hiasa amin’ny kaominina mandritra izany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Ny didimpoitra tsy maintsy atao, ary efa fomba fanao hatramin’izay. Saingy zary sakana ho an’ny mponina ny tsy fahampiana hoeti-manatanteraka izany. Ny hetsika faobe tahaka izao no tsara hanararaotana amin’ny fanatanterahana izany » hoy i Tanjona, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Miantso ireo liana mba hisoratra anarana eny amin’ny biraon’ny kaominina, ao amin’ny varavarana 103 na eny amin’ny fokontany misy azy avy.
Nicole Rafalimananjara
