ActualitésTsidika

Alasora: Nisy ny fanolorana fanamiana ho an’ireo polisy kaominaly

Nisy ny fanolorana fanamiana ho an’ireo polisy kaominaly, ao amin’ny kaominina Alasora, ny herinandro lasa teo. Izany moa dia fanomezana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina avy any ivelany, araka ny voalaza.

« Andiany voalohany, tamin’izay zakan’ny tanan’ny ben’ny tanàna, nandritra ny diany avy any ivelany ihany ireo fanamiana ireto. Izy io moa dia fanamiana nomen’ny polisy monisipaly avy ao La Grande Motte, ho an’ny polisy kaominaly eto Alasora » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe tokoa ny fanohanana ireo polisy eto anivon’ny kaominina. Hisaorana ny fikarakarana azy ireo ataon’ny tomponandraikitra satria miankina amin’izany no hitsarana ny asa vitan’izy ireo sy ny fandraisana andraikitra isan-tsokajiny » hoy i Mbolamanana, mponina ao Alasora.

Marihina moa, fa ny ampahany ihany no nozaraina izany fanamiana izany. Ho avy tsy ho ela kosa ny andiany manaraka, araka ny voalaza hatrany.

Laisser un commentaire