ActualitésTsidika

Avaradrano : Any Carion no ho hanaovana ny lalao ampahefa-dalana

Hotontosaina ny 15 sy 16 janoary ho avy izao ny lalao ampahefa-dalan’ny lalao eo amin’ny samy kaominina eto Avaradrano. Kaominina 8 no tafiakatra tamin’izany.

« Ny kaominina Alasora no hifanandrina amin’i Ambohimanga raha i Anosy Avaratra no hihaona amin’i Sabotsy Namehana. Ny kaominina Fiaferana kosa no hifanandrina amin’i Ambohimangakely, I Ankainandriana no hihaona amin’i Talata Volonondry » hoy ny mpikarakara. « Manentana antsika mpankafy baolina kitra ho tonga hanotrona sy hankahery ny ekipantsika. Any amin’ny kianja synthetique Carion no hanatontosana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadinandriana.

« Zava-dehibe ny fanohanana ny ekipa. Rehefa tsy milalao ihany tsy aleo mandray anjara amin’ny fanohanana » hoy i Rolland, mponina ao Ambohimangakely, mpankafy baolina kitra. Efa samy manana ny fanomanany avy ny isaky ny kaominina ho entina hanohanana ny ekipany. Irariana mba hiroborobo hatrany ny baolina kitra eto Avaradrano.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire