Ankadikely Ilafy: Vehivavy miisa 100 no nisitraka “kit gargote”
Niavaka ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa,ho an’ny distrika Avaradrano. Nisy ny fizarana kojakojan-dakozia ho an’ireo vehivavy nentina nanamarihana izany, tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy.
“Vehivavy miisa 100 manerana ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nisitraka fanomezana « Kit gargote » tamin’ity fotoana ity. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ary nomena ho fanampiana sy ho entina hanatsarana hatrany ny asa fiveloman’izy ireo. Nisy ihany koa ny fiofanana fohy nomena azy ireo mahakasika ny fitantam-bola” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Mbola maro ny zon’ny vehivavy tsy voahaja amin’izao fotoana izao, ohatra ao anatin’izany ny zo ao an-tokatrano, mbola maro ireo hianjadian’ny herisetra, tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra hafa. Mila omena fahafahana anefa ny vehivavy ahafahany manatsara ny manodidina azy sy mitondra fiovana. Hisaorana moa ireo fikambanana mitondra fampiofanana sy manome lanja ny vehivavy ary hangatahana ny hitohizany sy hihitaran’ny asa hatrany mba hanampiana ny vehivavy rehetra” hoy I Mbolatiana, renim-pianakaviana.
Fiaraha-miasa avy amin’ny ministeran’ny mponina sy ny fikambanana Miotisoa moa no nahatanterahana ity hetsika ity. Tonga nanatrika izany hetsika izany tao an-toerana ny lehiben’ny distrika avaradrano sy ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany tao amin’ny kaominina.
