SocialTatitra

Libye : Nisehoana firehetana tao amin’ny trano fitahirizan’entan’ny orinasa mpamokatra herinaratra

Nitrangana hain-trano goavana, ny alahady teo tao amin’ny trano fanatobiana fitaovan’ny orinasa mpamokatra herinaratra (GECOL) , any amin’ny faritra atsimon’ny renivohitra Libiana. Tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’izany. Trano fanatobiana fitaovana an’ny General Electricity, izay an’ny orinasa mpamokatra ara-indostrialy ao Al-Krimiya, tokony ho roapolo kilometatra atsimon’i Tripoli ity nirehitra ity. Setroka mainty matevina, no tazana teny Tripoli, ny alin’ny alahady, ifoha alatsinainy. tonga ara-potoana, namono ny afo ny mpamonjy voina tany an-toerana. Na tsy nisy aza anefa ny aina nafoy nandritra ity tranga ity, dia mitaky ny hanaovana fanadihadiana, momba ny nipoiran’ny loza ny governemanta any an-toerana.

Laisser un commentaire