Sidina Singapore airlines : Mpandeha iray no maty, olona maro hafa naratra vokatry ny fianjeran’ny fiaramanidina
Mpandeha iray no maty ary olona maro hafa no naratra tao anatin’ny sidina Singapore airlines, izay tratran’ny “fortes turbulences” teny ampanidina, omaly. Nampitohy an’i Londres sy Singapour ity fiaramanidina tra-doza ity. Nitondra mpandeha miisa 211 ity sidina, boeing 777-300ER ity, ary nisy ekipa 18 ihany koa tao anatiny. Teratany britanika, 73 taona teo ho eo no namoy ny ainy tamin’izany. Nahiditra hopitaly kosa ireo mpandeha telopolo naratra mafy, raha toa ka nahazo fitsaboana tsotra ireo 12 hafa. Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidina londonianina tao Heathrow ity sidina ity no tratran’ny fikorontanana teny ampanidinana, ka voatery nilatsaka tao Bangkok,omaly talata folakandro.
