Ambohimangakely: Fambolen-kazo sy diabe no nentina nanamarihana ny andron’ny 8 martsa
Diabe namakivaky ny tanàna sy hetsika fambolen-kazo no nentina nanamarihana ny andron’ny 8martsa, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Nandray anjara tamin’izany avokoa ireo fikambanam-behivavy sy ny sampana sosialy tao amin’ny kaominina, araka ny voalaza.
“Zanan-kazo miisa 1500 teo ho eo no voatsatoka nandritra ity fotoana ity, kanefa mialohan’ny fanatsatohana izany zanan-kazo dia nisy ny toro-marika avy amin’ireo Teknisianina iraky ny Ministera. Tanjona manokana amin’izao hetsika fambelon-kazo izao, dia ny fandraisana anjara amin’ny famerenana indray ho tontolo maintso an’i Madagasikara” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny vehivavy ny fandraisana anjara amin’ny hetsika tahaka izao, indrindra amin’izao andro fanamarihana ny zon’ny vehivavy izao. Maro ireo andraikitra sahanin’ny vehivavy ka izany indrindra no tokony hanomezan-danja azy hatrany, indrindra ny fahalalahana amin’ny zony, haneho hevitra ankalalahana amin’ny sehatra misy azy” hoy I Holy, avy amin’ny fikambanam-behivavy ao an-toerana.
Marihina moa fa ny vadin’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina no nitarika ny hetsika. Izy izay mpitarika ny Association soa, izay miompana amin’ny asa sosialy ao an-toerana.
