Fahaizana mitantam-bola, tsy ampy eo amin’ny tokantrano Malagasy maro an’isa
Miakatra hatrany ny vidim-piainana ankehitriny. Mitombo isa araka izany ireo tokantrano tena latsaka anaty fahasahiranana lalina. Maro ireo lasa midi-trosa satria tena tsy mahavelona intsony ny vola miditra raisina isam-bolana, na isan-kerinandro na isan’andro. Raha sendra marary moa, indrindra amin’izao firongatry ny valan’aretina izao dia tena mahita faisana ireo tsy manam-bola. Ny sasantsasany amin’ireo fanafody ilaina ihany mantsy no maimaim-poana fa mbola misy hafa ilana vola. Izany rehetra izany ihany koa anefa no manaporofo fa tsy dia ampy fahaizana mitantam-bola ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy misy nateraka na natokana ny hahantra sy ho sahirana lava tokoa mantsy fa hilana fahalalana ny fomba fampiasam-bola mahomby. Tsara raha hampianarina ny isam-batan’olona ny fahaiza-mitantana noho izany.
Maro ny mpikaroka nitrangaka momba ny tetika tena mahomby hitantanam-bola. Fa misy hevitra mampitovy iraisan’izy ireo ihany amin’ny ankapobeny rehefa tena fehezina. Voalohany dia mila mahay mametraka tahiry foana raha ny fandinihan’izy ireo. Na be na kely ny karama raisina dia ilaina foana ny manao tahiry, mitentina 10 isan-jaton’ny fitambaran’ireo vola raisina izany. Manaraka izany, mila hampiasaina hamoronana fitadiavam-bola hafa ankoatra ny efa fatao ny vola hananana. Mila fantarina kosa anefa izay tena asa manavanana fa tsy maika ny hanampy ny eo am-pelan-tanana fotsiny ihany. Manampy izany dia ilaina ny fanaraha-maso ny fandaniana. Mila jerena tsara izay zavatra tena ilaina toy ny sakafo tsy maintsy hohanina, ny fanafody tsy maintsy vidiana, ny akanjo tsy maintsy tafiana, ny jiro tsy maintsy hefaina, sns. Fadiana ny mividy zavatra tsy anaty laharam-pahamehana sy tsy hampidi-bola ho an’ny tena.
Ireo aloha no tena zava-dehibe fa afaka manampy traikefa tsikelikely eo am-panatanterahina ny rehetra. Raha tena mahay mitantana ny eo am-pelan-tanana dia tsy tokony hisy intsony izany ny tena latsaka anaty fahantrana lalina. Eo anatrehan’izany anefa, ao koa ireo tena tsy manana na ny harapaka anio ary. Mila mifanampy noho izany isika Malagasy fa tsy ho tia kely. Izay ihany ny efa fototry ny kolon-tsaintsika, ny firaisan-kina, ny fihavanana. Mila tandrovina hatrany ireny.
Diamondra Randriantsiferana
